-
Nomery 25:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 “I Finehasa+ zanak’i Eleazara, zanak’i Arona mpisorona, no nahatonga ahy tsy ho tezitra amin’ny vahoakan’Israely intsony, satria tsy nilefitra mihitsy izy rehefa nisy nivadika tamiko tamin’ilay vahoaka.+ Tsy naripako tanteraka àry ny Israelita, na dia tiako aza hoe izaho irery ihany no tompoina.+
-
-
Deoteronomia 13:6-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 “Raha mitady hitaona anao mangingina ny rahalahinao zanaky ny reninao, na ny zanakao lahy, na ny zanakao vavy, na ny vady malalanao, na ny namana tena akaiky anao,* ka miteny hoe: ‘Andao hanompo andriamani-kafa’,+ izay andriamanitra tsy fantatrao sady tsy fantatry ny razambenao, 7 ary andriamanitry ny firenena manodidina anao, na akaiky na lavitra, hatrany amin’ny faran’ilay tany, 8 dia aza manaiky azy na mihaino azy.+ Aza miantra azy, na mangoraka azy, na miaroaro azy, 9 fa tsy maintsy hovonoinao ho faty izy.+ Ny tananao mihitsy no tokony hamono azy voalohany, dia izay vao ny tanan’ny olona rehetra.+
-