-
Eksodosy 29:38-42Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 “Izao no hatolotrao isan’andro eo ambony alitara: Ondrilahy kely roa izay herintaona avy.+ 39 Atolory amin’ny maraina ny ondrilahy iray, ary amin’ny takariva* ny iray.+ 40 Ary izao no hampiarahina amin’ilay ondrilahy kely voalohany: Lafarinina tsara toto ampahafolon’ny efaha* afangaro menaka ampahefatry ny hina* avy amin’ny oliva voatoto, sy divay ampahefatry ny hina ho fanatitra zava-pisotro. 41 Ary izao no hampiarahinao amin’ilay ondrilahy kely faharoa hatolotrao amin’ny takariva:* Fanatitra varimbazaha sy fanatitra zava-pisotro hoatran’ilay amin’ny maraina. Ho fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah izany, mba ho hanitra mahafinaritra* azy. 42 Fanatitra dorana atolotra tsy tapaka izany, hatramin’ny taranakareo fara aman-dimby, ka atao eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay fihaonana eo anatrehan’i Jehovah, dia eo amin’izay hisehoako aminareo sy hitenenako aminao.+
-
-
Nomery 28:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Lazao aminy hoe: ‘Izao no fanatitra atao anaty afo hatolotrareo ho an’i Jehovah: Ondrilahy kely roa tsy misy kilema herintaona avy, ho fanatitra dorana atolotra tsy tapaka.+
-