-
Levitikosy 11:46, 47Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
46 “‘Izany no lalàna momba ny biby an-tanety, ny biby manidina, ny zavamananaina rehetra mihetsiketsika any anaty rano, ary ny biby rehetra mifanaretsaka eny ambonin’ny tany, 47 mba hanavahana ny maloto sy ny madio, ary ny zavamananaina azo hanina sy tsy azo hanina.’”+
-
-
Deoteronomia 14:4-20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Ireto avy ny biby azonareo hanina:+ Omby, ondry, osy, 5 serfa, gazela, serfa kely, osidia, antilopa, ondridia, ary ondry mpianika tendrombohitra. 6 Azonareo hanina izay biby mandinika* rehetra mivaky kitro, izany hoe misaraka roa tsara ny kitrony. 7 Tsy azonareo hanina kosa ireto biby ireto, satria mandinika na mivaky kitro fotsiny: Ny rameva sy ny bitrodia ary ny bitrom-bato, satria mandinika ireny, saingy tsy mivaky kitro. Maloto aminareo ireny.+ 8 Toy izany koa ny kisoa, satria mivaky kitro ireny, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo ireny. Aza hanina ny henany, ary aza kasihina ny fatiny.
9 “Izao no azonareo hanina amin’izay rehetra any anaty rano: Izay rehetra misy vombony sy kirany no azonareo hanina.+ 10 Tsy azonareo hanina kosa izay rehetra tsy misy vombony sy kirany. Maloto aminareo ireny.
11 “Azonareo hanina ny vorona madio rehetra. 12 Tsy azonareo hanina kosa ireto: Ny voromahery, ny hitsikitsika mpihinan-trondro, ny vaotoro mainty,+ 13 ny papango mena, ny papango mainty, ny karazana papango rehetra, 14 ny karazana goaika rehetra, 15 ny aotirisy, ny vorondolo, ny varevaka, ny karazana hitsikitsika lehibe rehetra, 16 ny vorondolo kely, ny vorondolo lava sofina, ny gisa mpanidina, 17 ny gisandrano, ny vaotoro, ny sakaizamboay, 18 ny vanobe, ny karazana vano rehetra, ny takodara, ary ny ramanavy. 19 Ny bibikely rehetra manana elatra sady mifanaretsaka koa dia maloto aminareo, ka tsy tokony hohanina. 20 Azonareo hanina kosa ny biby manidina rehetra izay madio.
-