-
Levitikosy 11:21-24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 “‘Ireto ihany no azonareo hanina amin’ny bibikely manana elatra sady mifanaretsaka, ary mandeha tongotra efatra: Ireo manana fe itsambikinana eo amin’ny tany. 22 Amin’ireny dia ireto no azonareo hanina: Ny karazana valala rehetra mpifindra monina, ny valala mpitsambikina, ny valala hafa fihinana,+ ary ny angelinkary. 23 Zava-maharikoriko aminareo ny bibikely hafa rehetra manana elatra sady mifanaretsaka, ary manan-tongotra efatra. 24 Hahatonga anareo haloto ireny. Haloto mandra-paharivan’ny andro izay mikasika ny fatin’ireny.+
-
-
Deoteronomia 14:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Toy izany koa ny kisoa, satria mivaky kitro ireny, saingy tsy mandinika. Maloto aminareo ireny. Aza hanina ny henany, ary aza kasihina ny fatiny.
-