-
Levitikosy 25:32-34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
32 “‘Ny tranon’ny Levita ao amin’ny tanànany+ kosa, dia ho azon’ny Levita avotana raha namidy, ary hanan-jo hanao an’izany foana izy ireo. 33 Raha tsy nisy nanavotra anefa ilay lovan’ny Levita, dia haverina aminy ihany ilay trano namidy tao amin’ny tanànan’izy ireo, rehefa tonga ny Jobily.+ Ny trano ao amin’ny tanànan’ny Levita mantsy no lovan’izy ireo eo amin’ny Israelita.+ 34 Tsy azo amidy kosa ny kijana+ manodidina ny tanànan’izy ireo, satria fananan’izy ireo mandrakizay izany.
-