-
Nomery 4:31, 32Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
31 Ireto avy ny andraikiny, dia izay tokony hoentiny+ mifandray amin’ny fanompoany ao amin’ny tranolay fihaonana: Ny rafitry+ ny tranolay, ny barany,+ ny andry,+ ary ny faladia itsatohany.+ 32 Hoentiny koa ireo andrin’ny+ tokotany manodidina, ny faladia itsatohany,+ ny fantsika be fanenjanan-day,+ ny tady fanenjanan-day, ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy sy izay rehetra ampiasaina amin’ny fanompoana mifandray amin’ireny. Holazainareo aminy ny anaran’ny fitaovana tokony hoentiny.
-