- 
	                        
            
            Eksodosy 29:27, 28Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
27 Hamasino ny tratrany atao fanatitra ahetsiketsika sy ny feny atao anjara masina, izay nahetsiketsika sy nalaina avy tamin’ilay ondrilahy natao sorona rehefa notendrena ho mpisorona i Arona sy ny zanany lahy.+ 28 Ho an’i Arona sy ny zanany ireo satria anjara masina, dia anjara masina tsy maintsy homen’ny Israelita.+ Ho fitsipika mandrakizay ho an’ny Israelita izany. Ireo no anjara masina hatolotr’izy ireo ho an’i Jehovah avy amin’ny sorona iombonana ateriny.+
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            Deoteronomia 18:3Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
3 “Manan-jo hahazo an’ireto avy amin’ny vahoaka ny mpisorona rehefa misy manao sorona biby, na omby izany na ondry: Ny sorony sy ny vavany* ary ny vavoniny.
 
 - 
                                        
 
- 
	                        
            
            1 Korintianina 9:13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
 - 
                            
- 
                                        
13 Tsy fantatrareo ve fa izay manao asa masina ao amin’ny tempoly dia mihinana an’izay zavatra ao, ary izay manompo tsy tapaka eo amin’ny alitara dia mahazo anjara avy amin’ny alitara?+
 
 -