- 
	                        
            
            Nomery 32:11, 12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        11 ‘Tsy hahita an’ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba+ ny lehilahy 20 taona no ho miakatra,+ izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy mba nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo izy ireo. 12 I Kaleba+ zanak’i Jefone Kenizita sy Josoa+ zanak’i Nona ihany no hahita an’ilay tany, satria nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy roa lahy.’+ 
 
- 
                                        
- 
	                        
            
            Deoteronomia 1:34-38Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
- 
                            - 
                                        34 “Henon’i Jehovah daholo ny teninareo tamin’izay, dia tezitra izy ka nianiana hoe:+ 35 ‘Tsy hisy amin’ity taranaka ratsy fanahy ity na iray aza hahita an’ilay tany tsara, izay nianianako homena ny razambenareo,+ 36 afa-tsy i Kaleba zanak’i Jefone. Hahita azy io izy ary homeko azy sy ny taranany ilay tany nandehanany, satria nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo*+ izy. 37 Tezitra tamiko mihitsy koa aza i Jehovah noho ny nataonareo, ka niteny hoe: “Ianao koa tsy hiditra any,+ 38 fa i Josoa zanak’i Nona, izay mitsangana eo anatrehanao,+ no hiditra any.’+ Ampaherezo* izy,+ fa izy no hitarika ny Israely handova an’ilay tany.” 
 
-