FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Nomery 14:28
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 28 Koa teneno ry zareo hoe: ‘“Raha mbola velona koa aho”, hoy i Jehovah, “dia hataoko aminareo izay henoko nolazainareo!+

  • Nomery 14:35
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 35 “‘“Izaho Jehovah no efa niteny. Izao no hataoko amin’io vahoaka ratsy fanahy mitambatra hanohitra ahy io: Atỳ amin’ity tany efitra ity izy ireo no ho ripaka tanteraka, ary atỳ izy ireo no ho faty.+

  • Nomery 32:10-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Tezitra be i Jehovah tamin’izay andro izay, ka nianiana hoe:+ 11 ‘Tsy hahita an’ilay tany nianianako tamin’i Abrahama sy Isaka ary Jakoba+ ny lehilahy 20 taona no ho miakatra,+ izay nivoaka avy tany Ejipta, satria tsy mba nanaraka ahy tamin’ny fony manontolo izy ireo. 12 I Kaleba+ zanak’i Jefone Kenizita sy Josoa+ zanak’i Nona ihany no hahita an’ilay tany, satria nanaraka an’i Jehovah tamin’ny fony manontolo izy roa lahy.’+

  • Deoteronomia 2:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary naharitra 38 taona ny diantsika avy tany Kadesi-barnea ka hatramin’ny niampitantsika an’ilay Lohasahan’i* Zareda. Nandeha teny foana isika mandra-paharipak’ilay taranaka manontolo, dia ny lehilahy mpiady rehetra tao an-toby, araka izay efa nianianan’i Jehovah taminy.+

  • Salamo 95:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Koa tezitra aho sady nianiana hoe:

      “Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.”+

  • Hebreo 3:11
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 11 Tezitra àry aho sady nianiana hoe: ‘Tsy hiditra amin’ny fitsaharako ireo.’”+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara