-
Nehemia 9:19, 20Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Na izany aza, dia tsy nahafoy azy tany an-tany efitra ianao satria tena mamindra fo.+ Tsy niala teo ambonin’izy ireo ny andry rahona rehefa antoandro, dia iny no nitari-dalana azy. Teo foana koa ny andry afo rehefa alina, dia iny no nanazava ny lalana halehany.+ 20 Nomenao ny fanahinao* izy ireo mba hisaina tsara.+ Nomenao mana koa izy ireo mba hataony sakafo,+ ary nomenao rano rehefa nangetaheta.+
-