-
Nomery 18:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Fa efa nomeko ho lovan’ny Levita ny ampahafolon-karena omen’ny vahoakan’Israely ho fanomezana ho an’i Jehovah. Izany no nilazako taminy hoe: ‘Tsy hahazo lova eo amin’ny Israelita izy ireo.’”+
-
-
Deoteronomia 10:9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
9 Izany no mahatonga an’i Levy tsy homena anjara na lova miaraka amin’ny rahalahiny. Fa i Jehovah no lovany, araka ny efa nolazain’i Jehovah Andriamanitrao taminy.+
-
-
Deoteronomia 14:28, 29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 “Isaky ny telo taona, dia tokony hoentinao daholo ny ampahafolon’ny vokatra azonao amin’ilay taona fahatelo, ka hapetrakao ao an-tanànanao.+ 29 Dia ho tonga eo ny Levita satria tsy mba omena anjara na lova eo aminao izy. Ho tonga eo koa ny vahiny sy ny kamboty ray ary ny mpitondratena ao an-tanànanao, dia hihinana ka ho voky.+ Amin’izay ianao hotahin’i Jehovah Andriamanitrao amin’izay rehetra hataonao.+
-