-
Deoteronomia 4:33, 34Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
33 Efa nisy vahoaka naheno ny feon’Andriamanitra niteny avy tao anaty afo hoatr’ireny henonao ireny ve, ka mbola velona ihany?+ 34 Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, ka namoaka didim-pitsarana* sy nanao famantarana sy fahagagana+ ary niady,+ sady nampiasa ny tanany matanjaka+ sy ny sandriny mahery, ary nanao zavatra mampahatahotra?+ Efa nanao toy izany ve i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran’ny nataony taminareo tany Ejipta teo imasonareo?
-