FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 26:8
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Farany, dia nitondra anay nivoaka avy tany Ejipta tamin’ny tanana matanjaka sy sandry mahery ianao,+ Jehovah ô, sady nanao zavatra nampahatahotra be sy famantarana ary fahagagana.+

  • Salamo 78:43-51
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 43 Ny famantarana nataony tany Ejipta,+

      Sy ny fahagagana nataony tao amin’ny faritr’i Zoana,

      44 Ary ny nanovany an’ireo lakandranon’i Neily* ho lasa ra,+

      Ka tsy afaka nisotro avy tamin’ny reniranony izy ireo.

      45 Nandefasany andiana fihitra izy ireo mba hanaikitra azy,+

      Ary sahona mba hanimba ny taniny.+

      46 Nomeny hohanin’ny valala mirangorango ny vokatry ny tanin’izy ireo;

      Nomeny hohanin’ny andiam-balala izay nisasarany.+

      47 Nataony simban’ny havandra ny voalobony,+

      Ary potiky ny havandra ny aviavidia teo amin’ny taniny.

      48 Nataony matin’ny havandra+ ny bibiny mpitondra entana,

      Ary nandatsahany varatra* ny biby fiompiny.

      49 Nampariny tamin’izy ireo ny hatezerany,

      Dia fisafoahana sy fahavinirana ary fampahoriana.

      Naniraka anjely be dia be hitondra loza izy.

      50 Nanamboatra lalana ho an’ny hatezerany izy.

      Tsy niaro azy ireo tsy ho faty izy,

      Ary namely azy ireo* tamin’ny areti-mandringana.

      51 Naripany daholo ny lahimatoa tany Ejipta+ tamin’ny farany,

      Dia ireo nateraka voalohany tao amin’ny tranolain’i Hama.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara