FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 4:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 Sa Andriamanitra efa mba nanandrana naka firenena ho an’ny tenany avy tamin’ny firenena iray, ka namoaka didim-pitsarana* sy nanao famantarana sy fahagagana+ ary niady,+ sady nampiasa ny tanany matanjaka+ sy ny sandriny mahery, ary nanao zavatra mampahatahotra?+ Efa nanao toy izany ve i Jehovah Andriamanitrareo, hoatran’ny nataony taminareo tany Ejipta teo imasonareo?

  • Nehemia 9:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Nanao famantarana sy fahagagana àry ianao mba hanasaziana an’i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny olon-drehetra tao amin’ny taniny.+ Fantatrao mantsy fa nataony tsinontsinona+ ny razambenay. Dia nataonao nalaza ny anaranao, ary mbola malaza ilay izy hatramin’izao.+

  • Salamo 105:27-36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Dia nanao famantarana avy amin’Andriamanitra teo amin’izy ireny izy mirahalahy,

      Ka nanao fahagagana tany amin’ny tanin’i Hama.+

      28 Nandefa haizina Andriamanitra, ka maizina ilay tany;+

      Tsy nanohitra ny teniny izy ireo.*

      29 Novan’Andriamanitra ho ra ny rano tany Ejipta,

      Ka maty ny trondro tany.+

      30 Feno sahona+ be dia be ny tanin’izy ireo,

      Na dia hatrany amin’ny efitranon’ny mpanjaka aza.

      31 Nomen’Andriamanitra baiko hanafika azy ireo ny fihitra,

      Ary hameno ny taniny rehetra ny moka.+

      32 Havandra no nalatsany fa tsy orana,

      Ary nandefa tselatra* teo amin’ny tanin’izy ireo izy.+

      33 Naripany ny voaloboka sy ny aviavin’izy ireo,

      Ary notapatapahiny ny hazo tao amin’ny tanin’izy ireo.

      34 Niteny izy dia tonga nanafika ny valala,

      Dia zana-balala tsy hita isa.+

      35 Nohanin’ireny daholo ny zavamaniry tao amin’ilay tany,

      Ary nohaniny ny vokatry ny tany.

      36 Dia naripak’Andriamanitra ny lahimatoa rehetra tao amin’ny tanin’izy ireo,+

      Izany hoe ireo naterany voalohany.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara