-
Nomery 32:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Izao àry: Raha mandray ny fiadianareo ianareo mba hoentinareo miady eo anatrehan’i Jehovah,+ 21 ary raha samy mandray ny fiadianareo ianareo ka miampita an’i Jordana eo anatrehan’i Jehovah, rehefa mandroaka ny fahavalony hiala eo anatrehany izy,+ 22 mandra-paharesy an’ilay tany eo anatrehan’i Jehovah,+ dia mahazo miverina ianareo.+ Tsy ho meloka eo imason’i Jehovah sy ny Israely ianareo amin’izay, dia ho lasanareo eo anatrehan’i Jehovah ity tany ity.+
-
-
Josoa 22:1-4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Dia nantsoin’i Josoa ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, 2 ka nilazany hoe: “Nanao an’izay rehetra nandidian’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo ianareo,+ sady nankatò an’izay rehetra nandidiako anareo.+ 3 Tsy nandao ny rahalahinareo ianareo nandritra an’izay fotoana rehetra izay ka hatramin’izao,+ sady narahinareo ny didin’i Jehovah Andriamanitrareo.+ 4 Efa nataon’i Jehovah Andriamanitrareo milamina tsara izao ny fiainan’ny rahalahinareo, araka ny nampanantenainy azy ireo.+ Azonareo atao amin’izay izao ny miverina any amin’ny tranolainareo, any amin’ilay tany nomen’i Mosesy mpanompon’i Jehovah anareo, eny ampitan’i* Jordana.+
-