-
Josoa 10:36, 37Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
36 Ary niala tao Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra, ka niakatra nankany Hebrona+ dia niady taminy. 37 Azon’izy ireo i Hebrona, ary nasiany tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao sy ny mpanjakany ary ny olona rehetra tao amin’ny tanàna manodidina azy, ka tsy nasiany niangana na iray aza. Naringany tanteraka izy io sy ny olona rehetra tao, hoatran’ny nataony tamin’i Eglona.
-