FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 1:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Niakatra avy tao an-tanànany isan-taona io lehilahy io, mba hivavaka* amin’i Jehovah Tompon’ny tafika sy hanao sorona ho azy, tany Silo.+ Mpisoron’i Jehovah+ tany ny zanak’i Ely roa lahy, dia i Hofinia sy Finehasa.+

  • 1 Samoela 4:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 3 Rehefa niverina tao an-toby ny olona, dia hoy ny anti-panahin’ny* Israely: “Nahoana no navelan’i Jehovah ho resin’ny Filistinina isika* androany?+ Andao halaintsika any Silo ny Vata misy ny fifanekena nataon’i Jehovah,+ mba ho eto amintsika ka hamonjy antsika amin’ny fahavalontsika.”

  • Salamo 78:60
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 60 Nafoiny ilay tranolay masina tao Silo+ tamin’ny farany,

      Dia ilay tranolay nonenany teo amin’ny olona.+

  • Jeremia 7:12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 12 “‘Mandehana any Silo,+ any amin’ilay toerana nametrahako ny anarako+ tamin’ny voalohany, dia jereo ny nataoko taminy noho ny zava-dratsy nataon’ny Israely vahoakako.+

  • Asan’ny Apostoly 7:44, 45
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 44 “Nanana ny tranolain’ny vavolombelona ny razambentsika tany an-tany efitra. Nasain’Andriamanitra nanao azy io mantsy i Mosesy, araka ny modely nasehony taminy.+ 45 Ary nolovan’ny razambentsika ilay tranolay, ka nampidiriny tao amin’ny tanin’ireo firenena+ noroahin’Andriamanitra hiala teo anatrehan’ny razambentsika.+ Nampiditra azy io tany izy ireo, niaraka tamin’i Josoa, ka tao foana ilay izy mandra-pahatongan’ny andron’i Davida.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara