-
Nomery 32:20-22Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Ary hoy i Mosesy tamin’izy ireo: “Izao àry: Raha mandray ny fiadianareo ianareo mba hoentinareo miady eo anatrehan’i Jehovah,+ 21 ary raha samy mandray ny fiadianareo ianareo ka miampita an’i Jordana eo anatrehan’i Jehovah, rehefa mandroaka ny fahavalony hiala eo anatrehany izy,+ 22 mandra-paharesy an’ilay tany eo anatrehan’i Jehovah,+ dia mahazo miverina ianareo.+ Tsy ho meloka eo imason’i Jehovah sy ny Israely ianareo amin’izay, dia ho lasanareo eo anatrehan’i Jehovah ity tany ity.+
-
-
Nomery 32:25-29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Dia hoy ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena tamin’i Mosesy: “Izay andidian’ny tompoko mihitsy no hataon’ny mpanomponao. 26 Hijanona atỳ amin’ny tanànan’i Gileada ny zanakay sy ny vadinay ary ny biby fiompinay rehetra.+ 27 Fa araka izay lazain’ny tompoko, dia izahay mpanomponao rehetra no handeha hiampita, izany hoe izay lehilahy mitondra fitaovam-piadiana ka efa vonona hiady eo anatrehan’i Jehovah.”+
28 Dia nomen’i Mosesy baiko i Eleazara mpisorona sy Josoa zanak’i Nona ary ny lohan’ny fianakaviamben’ny fokon’ny Israely, 29 ka hoy izy tamin’izy ireo: “Raha miampita an’i Jordana miaraka aminareo eo anatrehan’i Jehovah ny taranak’i Gada sy ny taranak’i Robena, izany hoe izay lehilahy mitondra fitaovam-piadiana sy efa vonona hiady, ka resinareo ilay tany, dia omeo an-dry zareo i Gileada.+
-