-
1 Samoela 8:5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
5 Hoy izy ireo taminy: “Efa antitra ianao izao, nefa ny zanakao tsy mba manao hoatran’ny nataonao. Koa manendre mpanjaka hitsara anay, hoatran’ny any amin’ny firenena hafa rehetra.”+
-
-
1 Samoela 10:24Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
24 Dia niteny tamin’ny vahoaka manontolo i Samoela hoe: “Hitanareo tsara ve ilay nofidin’i Jehovah?+ Jereo fa tsy misy hoatr’azy amin’ny olona rehetra!” Koa nihorakoraka izy rehetra hoe: “Ho ela velona anie ny mpanjaka!”
-
-
1 Samoela 11:14, 15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Taorian’izay, dia hoy i Samoela tamin’ny olona: “Andao isika ho any Gilgala+ mba hanamafy orina ny fanjakana.”+ 15 Nankany Gilgala àry ny olona rehetra, ka tany i Saoly no nataon’izy ireo mpanjaka teo anatrehan’i Jehovah. Dia nanolotra sorona iombonana teo anatrehan’i Jehovah+ izy ireo tany, ary nanao fety i Saoly sy ny Israelita rehetra ka faly be mihitsy.+
-