-
1 Tantara 10:1-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Dia niady tamin’ny Israely ny Filistinina. Ary nandositra azy ireo ny lehilahy israelita, ka be dia be no maty niampatrampatra teny amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+ 2 Narahin’ny Filistinina akaiky dia akaiky i Saoly sy ny zanany lahy, ka matin’izy ireo ny zanak’i Saoly, dia i Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa.+ 3 Ary vao mainka nihamafy ny fanafihana an’i Saoly. Dia hitan’ireo mpandefa zana-tsipìka izy, ka voan’izy ireo ary naratra.+ 4 Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo ka tsy hiantra*+ ahy.” Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain’i Saoly àry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.+ 5 Rehefa hitan’ilay mpitondra fiadiana fa maty i Saoly, dia nianjerany koa ny sabany ka maty izy.
-