-
1 Samoela 18:10, 11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Navelan’Andriamanitra hikorontan-tsaina*+ i Saoly ny ampitson’iny, ka lasa nanao fihetsika hafahafa* izy tao an-trano. Teo am-pitendrena harpa+ toy ny fanaony i Davida tamin’izay. Ary nisy lefona teny an-tanan’i Saoly,+ 11 dia natorany ilay lefona+ sady niteny anakampo izy hoe: ‘Hataoko mifantsika amin’ny rindrina i Davida!’ Nahay niala indroa anefa i Davida.
-
-
1 Samoela 20:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
20 Dia nandositra niala tao Naiota any Rama i Davida. Nankany amin’i Jonatana anefa izy ka nilaza taminy hoe: “Fa inona no nataoko?+ Inona no fahadisoako, ary inona no ratsy nataoko tamin’ny dadanao no mitady hamono ahy izy?”
-
-
1 Samoela 23:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Ary fantatr’i* Davida, tamin’izy tao Horesa tany an-tany efitr’i Zifa, fa nivoaka hifofo ny ainy i Saoly.
-