-
1 Samoela 31:11-13Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Rehefa henon’ny mponin’i Jabesi-gileada+ izay nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly, 12 dia niainga ny miaramila rehetra ka nandeha nandritra ny alina. Dia nalain’izy ireo teo amin’ny mandan’i Beti-sana ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany. Ary niverina tany Jabesy izy ireo, ka nodorany tany ireo faty. 13 Nentin’izy ireo ny taolambalony+ avy eo, ka naleviny tao ambanin’ilay hazo tamariska tany Jabesy.+ Ary nifady hanina fito andro izy ireo.
-