FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Samoela 2:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Naniraka olona nankany amin’ireo lehilahy tany Jabesi-gileada àry i Davida, hilaza hoe: “Hotahin’i Jehovah anie ianareo, satria tianareo i Saoly tomponareo sady tsy nivadika taminy ianareo matoa nandevina azy!+ 6 Enga anie i Jehovah ho tia anareo sy tsy hivadika aminareo, ary hasehony aminareo anie hoe mendri-pitokisana izy! Izaho koa ho tsara fanahy aminareo, noho ny nanaovanareo an’izany.+

  • Salamo 25:10
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 10 Hita amin’izay rehetra ataon’i* Jehovah fa be fitiavana izy sady tsy mivadika

      Amin’ireo manaja ny fifanekena+ nataony sy manaraka ny fampahatsiahivany.+

  • Salamo 57:3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  3 Haniraka mpanampy avy any an-danitra izy ka hamonjy ahy.+

      Hataony misahotaka izay mitady handrapaka ahy. (Sela)

      Haniraka ny fitiavany sy ny tsy fivadihany Andriamanitra.+

  • Salamo 61:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    •  7 Hipetraka eo amin’ny seza fiandrianana* eo anatrehan’Andriamanitra mandrakizay izy;+

      Anehoy fitiavana sy tsy fivadihana izy* mba hiaro azy izany.+

  • Salamo 89:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ny rariny sy ny hitsiny no fototra iorenan’ny seza fiandriananao;+

      Eo anatrehanao ny fitiavana sy ny tsy fivadihana.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara