-
Genesisy 35:19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
19 Dia maty i Rahely ka nalevina teny amoron’ny lalana mankany Efrata, izany hoe Betlehema.+
-
-
Rota 4:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Dia hoy ny olona rehetra teo am-bavahadin’ny tanàna sy ny anti-panahy: “Izahay no vavolombelona! Hotahin’i Jehovah anie ilay vehivavy ho vadinao ka ho lasa hoatran’i Rahely sy Lea, izay samy niavian’ny taranak’Israely!+ Enga anie ka handeha tsara ny fiainanao eto Efrata,+ ary halaza* ny anaranao eto Betlehema!+
-
-
1 Samoela 16:1Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
16 Farany, dia hoy i Jehovah tamin’i Samoela: “Mandra-pahoviana ianao no halahelo be noho ny nataon’i Saoly,+ nefa izy aza efa tsy nekeko ho mpanjakan’ny Israely intsony?+ Fenoy menaka ilay tandroka any aminao,+ dia mandehana. Hirahiko hankany amin’i Jese+ Betlehemita ianao, fa efa nifidy anankiray amin’ireo zanany lahy ho mpanjaka aho.”+
-