-
Nomery 12:8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Miresaka mivantana aminy mihitsy aho,+ sady miresaka mazava tsara, fa tsy mampiasa teny saro-pantarina. Ny endrik’i Jehovah mihitsy no hitany. Koa nahoana ianareo no tsy natahotra hanome tsiny an’i Mosesy mpanompoko?”
-
-
1 Samoela 24:6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Hoy izy tamin’ny olony: “Sanatria ahy ny hikasi-tanana ny tompoko izay voahosotr’i Jehovah, satria tsy ankasitrahan’i Jehovah izany. Tsy hanao an’izany aho, fa voahosotr’i Jehovah izy.”+
-
-
1 Samoela 31:4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia hoy i Saoly tamin’ny mpitondra ny fiadiany: “Tsoahy ny sabatrao dia atsatohy amiko, sao dia ho avy hamely ahy ireo tsy mifora ireo+ ka hampijalijaly ahy sy tsy hiantra ahy.” Tsy nety anefa ilay mpitondra fiadiana, satria natahotra be. Nalain’i Saoly àry ny sabatra, dia nianjerany mba ho voatrobaka izy.+
-