-
Mpitsara 9:4-6Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
4 Dia nomen’izy ireo volafotsy 70 sekely avy tao an-tranon’i* Bala-berita+ i Abimeleka. Dia nanakarama olona tsy misy atao sy sahisahy ratsy i Abimeleka mba hiaraka aminy. 5 Nankany an-tranon-drainy tany Ofra+ izy avy eo, dia novonoiny teo ambony vato iray ireo rahalahiny+ 70, zanak’i Jerobala. I Jotama faralahin’i Jerobala ihany sisa no velona, satria niafina izy.
6 Dia nivondrona ny mpitarika rehetra tao Sekema sy ny olona rehetra tao Beti-milo, ka nataon’izy ireo mpanjaka i Abimeleka.+ Teo akaikin’ny hazobe iray, teo akaikin’ilay tsangambato tao Sekema, izy ireo no nanao an’izany.
-
-
1 Mpanjaka 1:21Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
21 Raha tsy izany mantsy, dia hoheverina ho mpamadika izaho sy Solomona zanako raha vao hodimandry any amin’ny razambeny ny mpanjaka tompoko.”
-