FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 17:15, 16
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 dia izay mpanjaka fidin’i Jehovah Andriamanitrao ihany no tsy maintsy hotendrenao hifehy anao.+ Olona avy amin’ny rahalahinao no hotendrenao ho mpanjaka, fa tsy azonao tendrena hifehy anao ny hafa firenena tsy rahalahinao. 16 Tsy tokony hampitombo ny isan’ny soavaliny anefa izy,+ na handefa olona hiverina any Ejipta mba hahazoana soavaly betsaka kokoa.+ Niteny taminareo mantsy i Jehovah hoe: ‘Aza miverina amin’io lalana io intsony ianareo.’

  • 1 Mpanjaka 10:24-26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Ary nangataka hihaona taminy* ny olona eran-tany, mba hihaino ny fahendrena nataon’Andriamanitra tao am-pony.+ 25 Samy nitondra an’ireto fanomezana ireto izy ireo isan-taona: Zavatra vita tamin’ny volafotsy sy volamena, fitafiana, fitaovam-piadiana, menaka balsama, soavaly, ary ramole.

      26 Ary nanangona kalesy sy soavaly* foana i Solomona. Nanana kalesy 1 400 sy soavaly* 12 000 izy.+ Nataony tao amin’ny tanàna fanatobiana kalesy, sy tany Jerosalema tany akaikin’ny mpanjaka ireo.+

  • 2 Tantara 1:14
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Ary nanangona kalesy sy soavaly* foana i Solomona. Nanana kalesy 1 400 sy soavaly* 12 000 izy.+ Nataony tao amin’ny tanàna fanatobiana kalesy+ sy tany Jerosalema tany akaikin’ny mpanjaka ireo.+

  • 2 Tantara 1:17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 17 Ary volafotsy 600 sekely ny vidin’ny kalesy tsirairay nohafarana avy tany Ejipta, ary 150 ny vidin’ny soavaly iray. Dia avy eo naondran’ny mpandraharahan’ny mpanjaka nankany amin’ny mpanjaka rehetran’ny Hetita sy ireo mpanjakan’i Syria ireny.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara