FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 15:2
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 2 Hoy i Davida tamin’izay: “Tsy misy mahazo milanja an’ilay Vata masin’Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany. Ry zareo mantsy no nofidin’i Jehovah hilanja ny Vata masin’i Jehovah sy hanompo Azy foana.”+

  • 1 Tantara 15:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 Avy eo dia nentin’ny Levita tamin’ny bao filanjana ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ka nataony teo an-tsorony.+ Izany mantsy no baikon’i Mosesy, araka ny tenin’i Jehovah.

  • 2 Tantara 5:4-6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Tonga daholo àry ny anti-panahin’ny Israely, ary nobatain’ny Levita ilay Vata.+ 5 Dia nentin’izy ireo niakatra ilay Vata, sy ny tranolay fihaonana,+ ary ny fitaovana masina rehetra tao amin’ilay tranolay. Ny mpisorona sy ny Levita* no nitondra an’izany niakatra. 6 Teo anoloan’ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan’Israely manontolo, izay nampanantsoiny mba hihaona aminy. Be dia be mihitsy ny ondry sy omby natao sorona+ tamin’izay, ka tsy voaisa intsony.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara