-
Eksodosy 25:14Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
14 Dia atsofohy ao amin’ireo tahony boribory eo amin’ny lafiny roa ireo bao ireo, mba hilanjana an’ilay Vata.
-
-
1 Mpanjaka 8:3-5Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Koa tonga daholo ny anti-panahin’ny Israely, ary nobatain’ny mpisorona ilay Vata.+ 4 Dia nentin’izy ireo niakatra ilay Vata masin’i Jehovah, sy ny tranolay fihaonana,+ ary ny fitaovana masina rehetra tao amin’ilay tranolay. Ny mpisorona sy ny Levita no nitondra an’izany niakatra. 5 Teo anoloan’ilay Vata i Solomona Mpanjaka sy ny vahoakan’Israely manontolo, izay nampanantsoiny mba hihaona aminy. Be dia be mihitsy ny ondry sy omby natao sorona+ tamin’izay, ka tsy voaisa intsony.
-
-
1 Tantara 15:2Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
2 Hoy i Davida tamin’izay: “Tsy misy mahazo milanja an’ilay Vata masin’Andriamanitra afa-tsy ny Levita ihany. Ry zareo mantsy no nofidin’i Jehovah hilanja ny Vata masin’i Jehovah sy hanompo Azy foana.”+
-
-
1 Tantara 15:15Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Avy eo dia nentin’ny Levita tamin’ny bao filanjana ilay Vata masin’ilay tena Andriamanitra, ka nataony teo an-tsorony.+ Izany mantsy no baikon’i Mosesy, araka ny tenin’i Jehovah.
-