-
1 Mpanjaka 14:10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
10 Noho izany, dia hahatonga loza amin’ny ankohonan’i Jeroboama aho. Hofongorako* ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonany, anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely. Ary hofafako tanteraka hoatran’ny famafa taim-biby ny ankohonan’i Jeroboama,+ mandra-paha-tsy hisy tavela azy ireo intsony!
-
-
1 Mpanjaka 15:25-29Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
25 Lasa mpanjakan’ny Israely i Nadaba+ zanak’i Jeroboama tamin’ny taona faharoa nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda. Ary nanjaka roa taona teo amin’ny Israely izy. 26 Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, ary nanao hoatran’izay nataon-drainy+ sady nanao an’izay fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’ny rainy.+ 27 Nanao tetika hamelezana an’i Nadaba i Basa zanak’i Ahia anisan’ny taranak’Isakara, ka namely azy tao Gibetona,+ izay an’ny Filistinina. Nanao fahirano an’i Gibetona i Nadaba sy ny Israely rehetra tamin’izay. 28 Novonoin’i Basa àry izy tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, ka i Basa no nanjaka nandimby azy. 29 Raha vao lasa mpanjaka i Basa, dia novonoiny daholo ny ankohonan’i Jeroboama. Tsy nasiany niangana izay rehetra nanam-pofonaina tamin’ny fianakavian’i Jeroboama. Nasainy naripaka izy ireo, araka ny tenin’i Jehovah tamin’ny alalan’i Ahia Silonita mpanompony.+
-
-
2 Mpanjaka 17:22, 23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
22 Ary tsy nitsahatra nanao an’ireo fahotana rehetra nataon’i Jeroboama ny vahoakan’Israely.+ Tsy niala tamin’izany izy ireo, 23 mandra-panaisotr’i Jehovah ny Israely tsy ho eo imasony, araka ny nolazainy tamin’ny alalan’ny mpaminany mpanompony+ rehetra. Koa nesorina tamin’ny taniny ny Israely ka natao sesitany tany Asyria.+ Ary mbola any izy ireo hatramin’izao.
-