FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Eksodosy 20:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Alitara tany no ataovy ho ahy, ary ataovy sorona eo amboniny ny fanatitra dorana, ny sorona iombonana,* ny ondrinao, ary ny ombinao. Ary ho any aminao aho ka hitahy anao, any amin’izay toerana rehetra hofidiko hahatsiarovana ny anarako.+

  • Deoteronomia 12:5, 6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 5 Mandehana kosa any amin’izay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra mba hametrahana ny anarany sy honenany, dia any ianareo no hanompo azy.+ 6 Any ianareo no tokony hanatitra ny fanatitra dorana,+ ny sorona, ny ampahafolon-karena,+ ny fanomezana avy aminareo,+ ny fanatitra fanefana voady, ny fanatitra an-tsitrapo,+ ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.+

  • 1 Mpanjaka 8:16, 17
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 16 ‘Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta, dia mbola tsy nisy tanàna nofidiko teo amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely, mba hanaovana trano hitoeran’ny anarako.+ Nifidy an’i Davida ho mpitarika ny Israely vahoakako anefa aho.’ 17 Ary nirin’ny fon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara