FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 9:23, 24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 23 Ary niditra tao amin’ny tranolay fihaonana i Mosesy sy Arona. Avy eo dia nivoaka izy roa lahy, ka nitso-drano ny vahoaka.+

      Dia niseho tamin’ny vahoaka manontolo ny voninahitr’i Jehovah.+ 24 Ary nisy afo avy amin’i Jehovah,+ ka nandoro tanteraka an’ilay fanatitra dorana sy ireo taviny teo ambony alitara. Rehefa nahita an’izany ny vahoaka manontolo, dia nanomboka nihorakoraka ary niankohoka tamin’ny tany.+

  • Deoteronomia 4:24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 24 Fa afo mandevona i Jehovah Andriamanitrareo,+ ilay Andriamanitra mitaky ny hanompoana azy irery ihany.+

  • Mpitsara 6:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Ary nokasihin’ilay anjelin’i Jehovah tamin’ny tendron’ny tehina teny an-tanany ilay hena sy ny mofo tsy misy lalivay. Dia nisy afo nivoaka avy tamin’ilay vato ka nandevona an’ilay hena sy ilay mofo tsy misy lalivay.+ Nanjavona ilay anjelin’i Jehovah avy eo ka tsy hitan’i Gideona intsony.

  • 1 Tantara 21:26
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 26 Ary nanorina alitara+ ho an’i Jehovah teo i Davida, ka nanolotra sorona dorana sy sorona iombonana. Niantso an’i Jehovah koa izy. Dia novaliany izy, ka nisy afo+ avy any an-danitra nalatsany teo ambonin’ilay alitara fanaovana fanatitra dorana.

  • 2 Tantara 7:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Raha vao avy nivavaka i Solomona,+ dia nisy afo nilatsaka avy any an-danitra+ nandevona ny fanatitra dorana sy ny sorona. Ary nameno an’ilay trano ny voninahitr’i Jehovah.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara