FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 2 Mpanjaka 9:1-3
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 9 Nantsoin’i Elisa mpaminany ny iray tamin’ireo zanaky ny mpaminany, ka nilazany hoe: “Sikino ny akanjonao, ary ento haingana ity jaogy kely misy menaka ity, dia mandehana any Ramota-gileada.+ 2 Rehefa tonga any ianao, dia tadiavo i Jeho+ zanak’i Josafata zanak’i Nimsy. Ary mankanesa ao aminy, ka antsoy hiala kely eo amin’ireo rahalahiny izy, ary ento ao amin’ny efitra anatiny indrindra. 3 Dia raiso ilay jaogy kely misy menaka, ka araraho eo amin’ny lohany ny menaka, ary milazà hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Hosorako ho mpanjakan’ny Israely ianao.”’+ Dia vohay ny varavarana, ka mandosira haingana.”

  • 2 Mpanjaka 9:30-33
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 30 Tonga tany Jezirela+ i Jeho, ka henon’i Jezebela+ izany. Nanao manjamaso mainty àry izy, sady namboariny ny volony. Dia nitazana teo am-baravarankely izy. 31 Rehefa niditra teny am-bavahady i Jeho, dia hoy i Jezebela: “Hainao moa no niafaran’i Zimry, ilay namono ny tompony?”+ 32 Ary niandrandra nijery tany amin’ilay varavarankely i Jeho, sady nilaza hoe: “Iza no manohana ahy? Iza?”+ Avy hatrany dia nisy tandapa roa na telo niondrika nijery azy. 33 Hoy i Jeho: “Atsipazo izy!” Dia natsipin’izy ireo i Jezebela, ka niporitika tamin’ny rindrina sy tamin’ny soavaly ny rany. Ary nohitsahin’i Jeho tamin’ny soavaliny izy.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara