-
1 Mpanjaka 16:15-19Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
15 Tamin’ny taona faha-27 nanjakan’i Asa mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjaka tao Tirza i Zimry. Ary nanjaka fito andro izy. Nitoby mba hiady tamin’i Gibetona,+ izay an’ny Filistinina, ny tafika tamin’izay. 16 Tatỳ aoriana, dia henon’ny miaramila tao amin’ny toby hoe: “Nanao tetika hamelezana ny mpanjaka i Zimry, dia namono azy.” Nifidy an’i Omry+ lehiben’ny tafika àry ny Israely rehetra tao an-toby tamin’iny andro iny, mba hatao mpanjakan’ny Israely. 17 Dia niakatra avy tany Gibetona i Omry sy ny Israely rehetra, ka nanao fahirano an’i Tirza. 18 Rehefa hitan’i Zimry fa azon’izy ireo ilay tanàna, dia niditra tao amin’ny tilikambo voaro mafy, izay anisan’ny tranon’ny* mpanjaka, izy. Ary nodorany ilay trano ka maty kilan’ny afo tao izy.+ 19 Nitranga izany noho ny fahotana nataony, tamin’izy nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah ka nanahaka an’i Jeroboama, sy noho ny fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaomany.+
-