-
1 Mpanjaka 12:28-30Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
28 Rehefa avy nanontany an’ireo mpanolo-tsainy ny mpanjaka, dia nanamboatra zanak’omby+ volamena roa ary niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Sahirana be loatra ianareo miakatra any Jerosalema. Koa io ny Andriamanitrao izay nitondra anao niakatra avy tany Ejipta, ry Israely ô!”+ 29 Dia napetrany tao Betela+ ny iray, ary tany Dana+ ny iray. 30 Ary nahatonga ny vahoaka hanota izany,+ ka tonga hatrany Dana izy ireo mba hivavaka tamin’ilay zanak’omby.
-
-
1 Mpanjaka 14:7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Mandehana teneno i Jeroboama hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah Andriamanitry ny Israely: “Nasandratro avy teo amin’ny vahoaka ianao mba ho mpitarika ny Israely vahoakako.+
-