FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 21:19-24
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 19 Teneno izy hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Sady namono olona+ ve ianao no naka ny fananany?”’+ Lazao aminy koa hoe: ‘Izao no lazain’i Jehovah: “Eo amin’izay nilelafan’ny alika ny ran’i Nabota no hilelafan’ny alika ny ranao.”’”+

      20 Hoy i Ahaba tamin’i Elia: “Hay hitanao ihany aho, ry ilay fahavaloko!”+ Dia namaly i Elia hoe: “Ie, hitako ianao. ‘Noho ianao tapa-kevitra* hanao izay ratsy eo imason’i Jehovah,+ 21 dia hahatonga loza aminao aho. Hofongorako tanteraka ny taranakao, ary haringako ny lehilahy rehetra* amin’ny ankohonanao,+ anisan’izany ireo tsy misy mpiaro sy ireo osa eo amin’ny Israely.+ 22 Ary hataoko hoatran’ny ankohonan’i Jeroboama+ zanak’i Nebata sy hoatran’ny ankohonan’i Basa+ zanak’i Ahia ny ankohonanao, noho ianao nampahatezitra ahy sady nahatonga ny Israely hanota.’ 23 Izao koa no nolazain’i Jehovah momba an’i Jezebela: ‘Hohanin’ny alika ao amin’ilay tany eto Jezirela+ i Jezebela. 24 Izay rehetra an’i Ahaba ka maty ao an-tanàna dia hohanin’ny alika, ary izay maty any an-tsaha kosa hohanin’ny voro-manidina.+

  • 2 Mpanjaka 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Vonoy ho faty ny ankohonan’i Ahaba tomponao, dia hovaliako ny ran’ireo mpaminany mpanompoko sy ny ran’ny mpanompon’i Jehovah rehetra nalatsak’i Jezebela.+

  • 2 Mpanjaka 9:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Niverina nilaza izany tamin’i Jeho izy ireo, ka hoy izy: “Tanteraka ny teny nolazain’i Jehovah+ tamin’ny alalan’i Elia Tisbita mpanompony hoe: ‘Ao amin’ilay tany eto Jezirela no hihinanan’ny alika ny nofon’i Jezebela.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara