-
1 Samoela 31:8-10Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
8 Rehefa tonga haka an’izay zavatra teny amin’ireo faty ny Filistinina ny ampitson’iny, dia nahita ny fatin’i Saoly sy ny zanany telo lahy teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+ 9 Koa notapahin’izy ireo ny lohan’i Saoly, dia nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona handeha eran’ny tanin’ny Filistinina izy ireo, mba hilaza an’ilay vaovao+ tany amin’ireo tranon’ny* sampiny+ sy tamin’ny vahoaka. 10 Dia napetrak’izy ireo tao amin’ny trano nisy an’ireo sarin’i Astarta ny fiadian’i Saoly, fa ny fatiny kosa nahantony teo amin’ny mandan’i Beti-sana.+
-