FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Samoela 28:4
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 4 Dia tafangona ny Filistinina, ary nandeha nanangana toby tao Sonema.+ Koa nangonin’i Saoly ny Israely rehetra, ary nanangana toby tao Gilboa+ izy ireo.

  • 1 Samoela 31:1
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 31 Niady tamin’ny Israely ny Filistinina.+ Ary nandositra azy ireo ny lehilahy israelita, ka be dia be no maty niampatrampatra teny amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+

  • 2 Samoela 1:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Dia hoy ilay tovolahy: “Sendra teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa+ aho, no nahita an’i Saoly nitehina tamin’ny lefony. Ary nihananatona azy ny mpitondra kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly.+

  • 1 Tantara 10:8-12
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 8 Rehefa tonga haka an’izay zavatra teny amin’ireo faty ny Filistinina ny ampitson’iny, dia nahita ny fatin’i Saoly sy ny zanany lahy teo amin’ny Tendrombohitra Gilboa.+ 9 Nalain’izy ireo àry ny zavatra teny amin’ny fatin’i Saoly, dia notapahiny ny lohany, ary nalainy ny fiadiany. Ary naniraka olona handeha eran’ny tanin’ny Filistinina izy ireo, mba hilaza an’ilay vaovao tany amin’ny tranon’ny sampiny+ sy tamin’ny vahoaka. 10 Dia napetrak’izy ireo tao amin’ny trano nisy ny* andriamaniny ny fiadian’i Saoly, fa ny karandohany kosa nahantony tao an-tranon’i Dagona.+

      11 Rehefa henon’ny olona rehetra tany Jabesy+ any Gileada ny zava-drehetra nataon’ny Filistinina tamin’i Saoly,+ 12 dia niainga ny miaramila rehetra ka naka ny fatin’i Saoly sy ny fatin’ny zanany. Dia nentin’izy ireo tany Jabesy ny taolambalony, ka naleviny tao ambanin’ilay hazobe tany Jabesy.+ Ary nifady hanina fito andro izy ireo.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara