-
Eksodosy 12:3-11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 Mitenena amin’ny vahoakan’Israely manontolo hoe: ‘Samy tokony haka ondry+ iray avy ho an’ny ankohonan-drainy izy ireo amin’ny andro fahafolo amin’ity volana ity, izany hoe ondry iray isam-pianakaviana. 4 Raha vitsy loatra anefa ny iray trano ka tsy mahalany ondry iray, dia tokony hifampizara an’ilay izy ao an-tranony izy ireo sy ny mpifanila trano aminy, arakaraka ny isan’ny olona. Koa fantaro ny isan’ny olona sy izay mety ho lanin’ny tsirairay. 5 Tokony ho ondrilahy herintaona ilay izy sady tsy misy kilema.+ Afaka mifidy ondrilahy na osilahy kely ianareo. 6 Karakarao tsara ilay izy mandra-pahatongan’ny andro faha-14 amin’ity volana ity.+ Dia hamono an’ilay izy amin’ny takariva* ny fiangonan’Israely manontolo.+ 7 Hakan’izy ireo ny ra ka hafafiny eo amin’ny tolàm-baravarana roa sy eo amin’ny tataom-baravaran’ny trano hihinanany an’ilay izy.+
8 “‘Tsy maintsy hohanin’izy ireo amin’io alina io ny henany.+ Tokony hatsatsika eo ambony afo ilay izy, ary hohanina miaraka amin’ny mofo tsy misy lalivay*+ sy anana mangidy.+ 9 Aza misy hohanina manta ny henany na handrahoina amin’ny rano, fa tokony hatsatsika daholo hatramin’ny lohany sy ny tongony ary ny taovany. 10 Aza misy tehirizina mandra-paharainan’ny andro ilay izy, fa dory izay sisa tsy lany ka tratran’ny maraina.+ 11 Hoatr’izao no hataonareo rehefa mihinana azy: Efa mifatotra ny fehikibonareo,* ho eny an-tongotrareo ny kapanareo, ary ho eny an-tananareo ny tehinareo. Dia hohaninareo haingana ilay izy. Paskan’i* Jehovah izany.
-