-
Deoteronomia 16:6, 7Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Any amin’ilay toerana fidin’i Jehovah Andriamanitrao hametrahana ny anarany kosa ianao no tokony hanao an’izany. Amin’ny hariva vao maty masoandro+ ianao no tokony hamono an’ilay biby hatao fanatitra hankalazana ny Paska, amin’ny fotoana voatondro mifanitsy amin’ilay fotoana nivoahanao avy tany Ejipta. 7 Atonoy dia hano+ any amin’ilay toerana hofidin’i Jehovah Andriamanitrao+ ilay biby hatao sorona. Mahazo mody any amin’ny tranolainao ianao avy eo, rehefa maraina.
-