FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Mpanjaka 8:14-21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 14 Dia nitodika ny mpanjaka, ka notsofiny rano ny fiangonan’Israely manontolo, raha mbola nitsangana izy ireo.+ 15 Ary niteny izy hoe: “Hoderaina anie i Jehovah Andriamanitry ny Israely, fa ny vavany mihitsy no efa nampanantena an’i Davida raiko, ary ny tanany mihitsy no efa nanatanteraka an’izany! Hoy mantsy Izy: 16 ‘Hatramin’ny andro nitondrako ny Israely vahoakako nivoaka avy tany Ejipta, dia mbola tsy nisy tanàna nofidiko teo amin’ny foko rehetra teo amin’ny Israely, mba hanaovana trano hitoeran’ny anarako.+ Nifidy an’i Davida ho mpitarika ny Israely vahoakako anefa aho.’ 17 Ary nirin’ny fon’i Davida raiko ny hanorina trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely.+ 18 Hoy anefa i Jehovah tamin’i Davida raiko: ‘Nirinao tamin’ny fonao manontolo ny hanorina trano ho an’ny anarako, ary tsara izany fanirian’ny fonao izany. 19 Tsy ianao anefa no hanorina an’ilay trano, fa ny zanakao izay haterakao* no hanorina an’ilay trano ho an’ny anarako.’+ 20 Notanterahin’i Jehovah ny fampanantenana nataony, satria nandimby an’i Davida raiko aho ary mipetraka eo amin’ny seza fiandrianan’ny Israely, araka ny nampanantenain’i Jehovah. Nanao trano ho an’ny anaran’i Jehovah Andriamanitry ny Israely koa aho.+ 21 Ary nasiako toerana tao mba hametrahana an’ilay Vata misy ny fifanekena+ nataon’i Jehovah tamin’ny razambentsika, tamin’izy nitondra azy ireo nivoaka avy tany Ejipta.”

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara