FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Levitikosy 26:34
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 34 “‘Hanonitra ny sabatany ny tany amin’izay, mandritra ny andro rehetra tsy hisian’ny mponina ao, raha mbola any amin’ny tanin’ny fahavalonareo ianareo. Dia hiala sasatra* ilay tany, satria honerany ny sabatany.+

  • 1 Mpanjaka 8:46-50
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 46 “Raha manota aminao izy—fa tsy misy olombelona tsy manota+—ka tezitra be aminy ianao dia avelanao ho azon’ny fahavalo izy, ka entin’izy ireo ho babo any amin’ny taniny, na lavitra na akaiky,+ 47 ary tonga saina izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo,+ dia miverina aminao+ sy mitalaho famindram-po aminao any amin’ny tanin’ny mpamabo azy+ ary miteny hoe: ‘Nanota izahay sady efa diso ary nanao ratsy’,+ 48 ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo izy, any amin’ny tanin’ny fahavalony izay nitondra azy ho babo, ka mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razambeny, sy ny tanàna nofidinao ary ny trano naoriko ho an’ny anaranao,+ 49 dia henoy any an-danitra fonenanao+ any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy, 50 ary mamelà ny heloky ny vahoakanao izay nanota taminao sy ny fahadisoana rehetra nataony taminao. Hataonao miantra azy ny mpamabo azy ka hangoraka+ azy izy ireo

  • Daniela 9:7
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 7 Ianao no manao ny rariny, Jehovah ô, fa izahay kosa menatra.* Menatra izahay mponin’i Joda sy Jerosalema ary ny Israely rehetra izao, na ny lavitra na ny akaiky, dia izay any amin’ny tany rehetra nanaparitahanao an-dry zareo noho izy nivadika taminao.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2025)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara