FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • Deoteronomia 28:15
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 15 “Raha tsy mihaino ny feon’i Jehovah Andriamanitrao kosa ianao, ka tsy mankatò ny didiny rehetra sy ny lalàny omeko anao androany, dia ho tanteraka aminao ireto ozona rehetra ireto, sady hahatratra anao:+

  • Deoteronomia 28:36
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 Horoahin’i Jehovah hankany amin’ny firenena tsy fantatrao sy tsy fantatry ny razambenao ianao sy ny mpanjaka apetrakao hitondra anao.+ Rehefa any ianao dia hanompo andriamani-kafa, dia andriamanitra vato aman-kazo.+

  • 2 Mpanjaka 17:6
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 6 Resin’ny mpanjakan’i Asyria i Samaria,+ tamin’ny taona fahasivy nanjakan’i Hosea. Dia nataony sesitany+ tany Asyria ny vahoakan’Israely, ka napetrany tany Hala sy tany Habora izay eo akaikin’ny reniranon’i Gozana,+ ary tany amin’ireo tanànan’ny Medianina.+

  • 2 Mpanjaka 25:21
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 21 Dia namely azy ireo ny mpanjakan’i Babylona, ka namono azy ho faty tao Ribla, tany Hamata.+ Koa nesorina tao amin’ny taniny ny Joda ka natao sesitany.+

  • 2 Tantara 6:36-39
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 36 “Raha manota aminao izy—fa tsy misy olombelona tsy manota+—ka tezitra be aminy ianao, dia avelanao ho azon’ny fahavalo izy ka entin’izy ireo ho babo any an-tany lavitra na akaiky,+ 37 ary tonga saina izy any amin’ny tany nitondrana azy ho babo, dia miverina aminao sy mitalaho famindram-po aminao any amin’ilay tany nitondrana azy, ka miteny hoe: ‘Nanota izahay sady efa diso ary nanao ratsy’,+ 38 ary miverina aminao amin’ny fony manontolo+ sy ny heriny manontolo izy, any amin’ny tany izay nitondrana azy ho babo,+ ka mivavaka aminao manandrify ny taniny, izay nomenao ny razambeny, sy ny tanàna nofidinao+ ary ny trano naoriko ho an’ny anaranao, 39 dia henoy any an-danitra fonenanao any ny vavaka ataony sy ny fitalahoany famindram-po, ka ataovy izay hitanao fa rariny mba hanampiana azy ireo,+ ary mamelà ny heloky ny vahoakanao izay nanota taminao.

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara