-
1 Mpanjaka 9:6-9Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Raha miala amiko anefa ianareo sy ny zanakareo, ka tsy mankatò ny didy sy ny lalàna nomeko anareo, fa mandeha manompo andriamani-kafa sy miankohoka eo anatrehan’ireny,+ 7 dia horoahiko tsy ho eo amin’ny tany nomeko azy ny Israely.+ Ilay trano nohamasiniko ho an’ny anarako kosa hariako tsy ho hitan’ny masoko intsony,+ ary ny Israely hesoesoin’ny firenena rehetra* sy hataony fihomehezana.+ 8 Ary ho lasa korontam-bato mivangongo ity trano ity,+ ka ho gaga izay rehetra mandalo eo. Hisioka izy ireo dia hiteny hoe: ‘Fa naninona àry no dia nataon’i Jehovah hoatr’izao ity tany ity sy ity trano ity?’+ 9 Dia hisy hilaza hoe: ‘Satria ry zareo niala tamin’i Jehovah Andriamaniny, izay nitondra ny razambeny nivoaka avy tany Ejipta, ary maimay erỳ nanaraka andriamani-kafa ka niankohoka teo anatrehan’ireny sady nanompo azy. Izany no nahatonga an’i Jehovah hamely azy ireo tamin’izao loza rehetra izao.’”+
-