-
2 Tantara 13:12Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
12 Ary manampy anay sady mitarika anay ilay tena Andriamanitra. Eto koa ny mpisorony hitsoka ny trompetra fanairana rehefa hamely anareo izahay. Koa aza miady amin’i Jehovah Andriamanitry ny razambenareo, ry miaramilan’ny Israely ô, fa tsy handresy ianareo.”+
-
-
2 Tantara 32:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 “Manàna herim-po ary mahereza! Aza matahotra na mihorohoro noho ny amin’ny mpanjakan’i Asyria+ sy ireo olona be dia be miaraka aminy ireo. Fa betsaka ny miaraka amintsika noho ny miaraka aminy.+ 8 Herin’olombelona* no ianteherany, fa i Jehovah Andriamanitsika kosa no ianteherantsika mba hanampy antsika sy hiady ho antsika.”+ Dia nankahery ny vahoaka ny tenin’i Hezekia mpanjakan’ny Joda.+
-