-
Nehemia 9:7, 8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
7 Ianao no Jehovah, ilay tena Andriamanitra, izay nifidy an’i Abrama+ sy nitondra azy hiala tao Oran’ny+ Kaldeanina, ka nanao ny anarany hoe Abrahama.+ 8 Hitanao fa nifikitra taminao ny fony,+ ka nanao fifanekena taminy ianao hoe homenao azy sy ny taranany+ ny tanin’ny Kananita sy ny Hetita sy ny Amorita sy ny Perizita sy ny Jebosita ary ny Girgasita. Dia nitana ny teninao ianao satria ianao manao ny tsara foana.
-