FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Tenin’ny Tanana Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • 1 Tantara 23:13
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 13 Ny zanak’i Amrama dia i Arona+ sy Mosesy.+ I Arona anefa no voatokana mandrakizay+ hanamasina ny Masina Indrindra. Izy sy ny taranany no voatokana mba hanao sorona eo anatrehan’i Jehovah, hanompo azy, ary hanao tsodrano amin’ny anarany foana.+

  • 1 Tantara 23:27-30
    Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
    • 27 Nisaina ny Levita 20 taona no ho miakatra, araka ny toromarika farany nomen’i Davida. 28 Nanampy ny taranak’i Arona+ tamin’ny fanompoana tao an-tranon’i Jehovah no asan’izy ireo. Ireto avy izany: Niandraikitra ny tokotany+ sy ny efitra fisakafoana, nanadio ny zava-masina rehetra, ary nanao ny asa rehetra ilaina amin’ny fanompoana ao an-tranon’ilay tena Andriamanitra. 29 Nanampy tamin’ny fikarakarana an’ireto koa izy ireo: Ny mofo mifanaingina,*+ ny lafarinina tsara toto atao fanatitra varimbazaha, ny mofo fisaka tsy misy lalivay,+ ny mofo atao anaty lasitra, ny koba mifangaro menaka,+ ary ny karazana vatomizana sy famarana rehetra. 30 Tsy maintsy tonga isa-maraina+ mba hisaotra sy hidera an’i Jehovah koa izy ireo, ary hoatr’izany koa amin’ny takariva.+

Fitehirizam-boky ho An’ny Tenin’ny Tanana Malagasy (2000-2026)
Hiala
Hiditra
  • Tenin’ny Tanana Malagasy
  • Hizara
  • Firafitra
  • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
  • Fifanekena
  • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
  • Firafitry ny Fifanekena
  • JW.ORG
  • Hiditra
Hizara