-
Nehemia 10:38, 39Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
38 Rehefa manangona ny ampahafolony ny Levita, dia tokony hisy mpisorona taranak’i Arona hiaraka aminy. Ary ny ampahafolon’izany kosa tokony haterin’ny Levita ao an-tranon’Andriamanitray,+ ao amin’ny efitra* ao amin’ny trano fitehirizana. 39 Fa any amin’ireo efitra fitehirizana* no tokony hanateran’ny Israelita sy ny taranak’i Levy an’izay ataony fanomezana,+ dia ny varimbazaha sy ny divay vaovao ary ny menaka.+ Any koa no misy ny fitaovana ho an’ny toerana masina, dia any no alehan’ny mpisorona manao fanompoana sy ny mpiandry vavahady ary ny mpihira. Ary tsy hanao tsirambina ny tranon’Andriamanitray izahay.”+
-
-
Nehemia 12:44Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
44 Tamin’izay koa, dia nisy lehilahy notendrena hiandraikitra ny trano fitehirizana+ an’ireo fanomezana+ sy voaloham-bokatra+ ary ampahafolon-karena.+ Tsy maintsy nangonin’izy ireo tao ny anjaran’ny mpisorona sy ny Levita+ araka izay notakin’ny Lalàna,+ dia izay nalaina avy tamin’ny sahan’ny tanàna. Faly mantsy ny olona tany Joda satria nanao fanompoana ny mpisorona sy ny Levita.
-