-
Levitikosy 21:6-8Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
6 Tokony ho masina eo anatrehan’ny Andriamaniny kosa izy,+ ary tsy hanazimbazimba ny anaran’ny Andriamaniny,+ satria izy no manolotra ny fanatitra atao anaty afo ho an’i Jehovah, izany hoe ny sakafo* ho an’ny Andriamaniny. Tsy maintsy masina izy.+ 7 Tsy tokony hanambady mpivaro-tena izy,+ na vehivavy tsy virjiny intsony na nisara-bady,+ satria masina eo anatrehan’ny Andriamaniny ny mpisorona. 8 Hamasino izy,+ satria izy no manolotra ny sakafo ho an’ny Andriamanitrao. Ary tokony ho masina aminao izy, satria masina izaho Jehovah izay manamasina anareo.+
-
-
Isaia 52:11Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
11 Ianareo izay mitondra ny fitaovan’i Jehovah,+
-