-
2 Tantara 36:23Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
23 “Izao no tenin’i Kyrosy mpanjakan’i Persa: ‘Efa nanome ahy ny fanjakana rehetra eto an-tany i Jehovah Andriamanitry ny lanitra,+ ary naniraka ahy hanorina trano ho azy any Jerosalema, any Joda.+ Iza aminareo àry no anisan’ny vahoakany? Enga anie hanampy azy i Jehovah Andriamaniny! Dia aleo izy hiakatra.’”+
-
-
Ezra 6:3, 4Ny Soratra Masina—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao
-
-
3 “Tamin’ny taona voalohany nanjakan’i Kyrosy Mpanjaka, dia nanome an’izao baiko izao momba ny tranon’Andriamanitra any Jerosalema i Kyrosy Mpanjaka:+ ‘Aoreno indray ilay trano ka ao no hanaovana sorona. Ataovy mafy tsara ny fototr’ilay trano. Tokony hatao 60 hakiho* ny haavony, ary 60 hakiho ny sakany.+ 4 Ny rindrina kosa ataovy amin’ny vato ngezabe, izay nakodiadia haka toerana. Ataovy telo andalana ireo vato ireo ary iray andalana ny vatan-kazo.+ Avy ao amin’ny tranon’ny mpanjaka ihany no handoavana ny lany.+
-